Each month, we share valuable insights on Malagasy biodiversity through our social media accounts to raise public awareness. Each post highlights a different topic selected by our members based on their areas of interest.
Occasionally, we share a Malagasy-language abstract of recent scientific research "Fintin-dahatsoratra siantifika an-tsary sy/na an-tsoratra" to make scientific knowledge more accessible to the Malagasy-speaking public.

Mampitombo ny otrikaina sy angovo azon’ny varijatsy (Varecia variegata) ny fisian’ny lagaly ao anaty sakafony.
📑 FINTINA (Abstract in Malagasy)
Ireo gidro mpihinam-boa dia mety mihinana ravina, felana, ary taho, mba hamenoany ny otrikaina sy ny angovo ilainy isan'andro ankoatry ireo efa azony avy amin'ny voankazo. Ny sasany amin'ireo biby ireo dia mety mihinana lagaly amin'ny ravina zava-maniry, izay singa tsy dia mahazatra miendrika karazana vonto ateraky ny fitomboan'ny isan'ny selan-java-maniry rehefa misy bibikely manatody eo aminy. Mbola tsy dia tena fantatra anefa ny mety ho vokatry ny fihinanan'ireo biby mpihinam-boa izany lagaly amin'ny zava-maniry izany. Noho izany, ity fikarohana nataonay ity dia nentina handinihina ny mety ho tombotsoa azon'ny varijatsy, izay fantatra amin'ny anarana siantifika hoe Varecia variegata, amin'ny fihinana izany. Tao amin'ny ala mandon'Ihofa, faritra atsinanan'i Madagasikara no nanaovanay ity fikarohana ity, hamantarana ny hoe 1) firy ny tahan'ny lagalin-java-maniry ao anaty sakafony, sy ny otrikaina ary angovo entiny ho azy ireo? 2) mirona hihinana voa amin'ny hazo misy lagaly ve ireo varika ireo? ary farany, 3) manana toetoetra ivelany sy anatiny itovizana ve ny lagaly sy ny voankazo? Hita tamin'ny fotoana nanaovanay ny fikarohana fa ny 12.96% ny sakafon'ny varijatsy dia lagaly, ary an'ny andro sasany dia tsy misy afa-tsy lagaly ny sakafony. Ho fanampin'izay, mitondra proteina betsaka kokoa noho ny voankazo ny fihinanany lagaly ary manome angovo ambony kokoa. Nahita koa izahay fa mirona hihinana voankazo bebe kokoa amin'ny hazo misy lagaly ny varijatsy, izany dia mety noho ny lagaly manana loko sy tahan'otrikaina sasany mitovy amin'ny an'ny voankazo. Ireto voka-pikarohana ireto dia mampitombo ny fahalalana misy momba ireo gidro mpihinam-boa sy ny otrikaina sy angovo ilainy ary ny fisafidianany sakafo. Mety hanampy ihany koa amin'ny famolavolana paikady hitandrovana ireo gidro ireo eo amin'ny toerana voajanahary misy azy izany voka-pikarohana izany.

Mihinana ireo karazan-dalitra katsetsitra monina amin'ny vatany ny fanihy vato (Rousettus madagascariensis) mba hanampiany ireo proteina ilainy isan'andro
📑 FINTINA (Abstract in Malagasy)
Ny otrikaina mahavelona entin’ny voankazo dia tsy ampy ho an’ireo biby mpihinam-boa fa mihinana sakafo hafa izy ireo ho fanampin’izany, toy ny ravin-kazo, vovombony na koa bibikely, mba hahatratraran’izy ireo ny filàna ara-tsakafo isan’andro. Ireo fanihy vato, antsoina hoe Rousettus madagascariensis (anatin’ny fianakaviana Pteropodidae: izay vondrona misy ny ramanavy mihinam-boankazo aty amin’ny faritra tropikalin’ny Afrika, “Moyen Orient”, Azia, ary Aostralia), fanihy mpihinam-boa, kely indrindra, tsy fahita raha tsy eto Madagasikara, dia mihinana lalitra katsetsitra (Nycteribiidae sy Streblidae: lalitra manana olitra mialehibe anatin’ny tranon’atodin’ny vavy, izay haterany ho dandy anaty haram-bato mba hanohizany ny fitombony alohan’ny hivadihany ho lalitra feno) izay monina amin’ny vatan’izy ireo. Koa satria, mivelona amin’ny ra’ny fanihy vato onenany ny lalitra katsetsitra, noho izany ny fihinanan’ny fanihy azy ireo dia maneho fanodinana sy fampihenana ny fahaverezan’ireo otrikaina manan-danja, toy ny mineraly sy ny proteinina ary ny menaka. Ny singa entin’ireo lalitra katsetsitra ireo dia mitondra hatramin’ny 4-10 isan-jato amin’ny hery (proteinina) ilain’ny fanihy isan’andro. Io taha io dia zava-dehibe ho an’ny biby mpihinam-boa, indrindra rehefa maintany sy vanimpotoana mahavitsy ny voankazo.

Mitarika fiovana eo amin’ny fotoana fahafoizan’ny atody sy ny fitomboan’ny tarondro iray an’i Menabe ny fiovaovan’ny toetr’andro
📑 FINTINA (Abstract in Malagasy)
Ilaina ny mahafantatra ny fahaizana miaina avalin’ireo karazan-javamananaina manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro mba hanalefahana ny fiantrainkan’izany. Mbola vitsy anefa ireo fikarohana mijery ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny dingam-piainan’ny biby mangatsia-drà, na mijery hoe ahoana no mety ho fifandraisany amina toe-pianana hafa. Etoana izahay, dia mijery momba ny fifandraisana eo amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro, sy ny fahafoizan’ireo biby mangatsia-drà ary ny fitomboan'ny zanany. Noraisinay ho modely biolojika eto ny karazana tarondro ‘Furcifer labordi’ noho izy manana toem-piainana tsy dia mahazatra: ny ‘diapause embryonnaire’ (dingana iray ao anatin’ny fahafoizan’ny atody rehefa ririnina) dia arahin’ny fahafoizana mirindra sy andro-piainana fohy rehefa lehibe. Nijery ny fotoana fahafoizan’ny tarondro miisa 674 izahay ary naka angon-drakitra momba ny toetr’andro nandritra ny vanim-potoana telo teo anelanelan'ny taona 2013-2018 tao amin'ny Alan’ny Kirindy (CNFEREF), ilany andrefan'i Madagasikara. Efa nisy teo aloha ny tatitra momba ny fiovaovan'ny mari-pana sy ny rotsak’orana ho an'ity faritra ity. Hita ary fa mifampiankina ny toetr’andro sy ny fotoana mahafoy ny tarondro: foy hatrany ny atodina tarondro aorian’ny rotsak’orana voalohany, ary ny fiantomboham-piainany dia miovaova hatramin’ny 32 andro mandritry ny taona (sahabo ho 12-17% ny halavan’ny andro-piainany manontolo izany). Ankoatran’izay, ny fahataran’ny rotsak’orana dia mahatonga ny fotoana eo anelanelan'ny rotsak’orana voalohany sy ny tarondro foy voalohany ho fohy. Ny fahasamihafana goavana hita eo amin'ny fotoana mahafoy sy ny hafanana ihany koa dia niteraka fiovaovana eo amin’ny fitomboan'ny zanaka tarondro, izany hoe lasa malaky kokoa ny fotoana itomboan’ireo vondrona izay foy taty aoriana. Arak’ izany, ny fiovaovan’ny toetr’andro dia misy ifandraisany amin’ny fahafoizany sy ny fitomboan’ny zanaka tarondro mandritra ny tsingerim-piainany ho an’i F. labordi. Mampiahiahy indrindra izany eo amin’ny lafiny fiarovana satria, mety ho ny tarondro iray monina rehetra mihitsy no ho foana raha vondrona iray monja ao anatin’ity karazan-javamananaina manatody isan-taona ity no tsy mahazaka miaina manoloana ny fiakaran’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Ny Tanalahy
Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanalahy isika ny 9 May.
Araho ao anaty horonan-tsary fohy ary ity endrika fanadihadiana ity, izay natao tamin’ireo tanalahy hita eto Madagasikara, mba hamantarantsika bebe kokoa ny mombamomba azy ireo.
- Nalaina avy tao amin’ny lahatsoratra
- Sary tanalahy: A. Andrianiaina
- Feon-kira lafika: Safe Travel - Vahantsaina R.

Ny Fanihy
Ireto avy ireo mpandray anjara hita ao anaty horonan-tsary fohy momban'ny fanihy:
- Horonan-tsary: A. Andrianiaina ; Tsiky Mamiratra.
- Feon-kira lafika: Safe Travel - Vahantsaina R.
- Pteropus rufus (Fanihy/Angoavy/Andre)
- Phaner sp. (Tanta)
- Horonan-tsary: A. Andrianiaina ; Tsiky Mamiratra.
- Feon-kira lafika: Safe Travel - Vahantsaina R.
Ny Ala Mando
|
Ireto avy ireo mpandray anjara hita ao anaty horonan-tsary fohy momban'ny ala mando:
|
- Horonan-tsary: Tsiky Mamiratra; A. Andrianiaina Paragraph. Cliquez ici pour modifier. |
Poster Comics / Andian-tantara an-tsary
- Anemochory: seed dispersal by wind / fanaparitahana vihy amin'ny alalan'ny rivotra
- Hydrochory: seed dispersal by water / fanaparitahana vihy amin'ny alalan'ny rano
- Zoochory: seed dispersal by animals / fanaparitahana vihy amin'ny alalan'ny biby
- Vertebrates: animals that possess a vertebral column (spine) and a cranium (skull) / ireo biby manana hazon-damosina